Izany elanelanin-tany (Djaw)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina izay tsy izy ny tanàna,Lasa maloka aoka izany ny manodidina,
Ny lanitra ity toa saroman-drahona
Rehefa tsy eo anilanao akia ry tiana.
Maro ny milaza fa lavitry ny maso lavitry ny fo !
Ny ahy kosa toa lasa tsy afaka an-doha, tsy afaka am-po.
Ary ireo sangisangy izay fanaontsika roa,
Vao maika mitamberimberina ao an-tsaiko koa.
Mahagaga marina ny fitiavan’olombelona !
Adiady tsy vita raha mifanakaiky toerana,
Kanefa rehefa tsy hitan’ny maso, any lavitra any,
Toa lasa mahamanina, tiana ho eo akaiky hatrany !
Eny, mafy marina ity elanelan-tany ity ka !
Satria mahavita izao mampisaraka antsika !
Nefa koa, mampitambatra, mampiray ao am-po,...
Ka manamafy orina ity fitiavantsika roa.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
haraldtohaina