Sambara (DON Excellence)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao fa hiala aho hanalavitra anao
Indro averiko izay rehetra avy taminao
Ka na dia mafy aza izany
Dia indro aho lasa ka hilentika any

Aza manahy fa rehefa lasa aho izao
Dia tsy hisy intsony ny mpanadala anao
Sambara amin'izay re ry tiako iny
Tsofy rano aho f'aza omena tsiny

Hiezaka aho hitraka sy hampionona ny foko
Na nandratra ahy mafy aza ny fitiavako
Aleoko hendry mody voky noderaina
Indro averiko ilay nalaiko tsy neraina

Veloma, ka mandrapihaona ry ilay fanamperako
Matokisa fa izay vitantsika rehetra tsy ho neniko
Sambara, dia mahita ilay tsy manorisory
Mirary soa, f'aza malahelo ahy intsony
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
358 2
Mpakafy: Excellence08 - Yagiz
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DON Excellence
Nampiditra : Yagiz
Daty : 09/06/2023 12:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139