Noely famonjena. (DotMG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hoe ny noely
No mbola heverinao fa fetin-jazakely
Hambarako aminao :
Tsy izany velively!

Ny ankizy ireny indrindra
No mbola tsara jery sy marina famindra
Mahitsy sy milamina
Milanto sy mirindra.

Ny fony tsisy fitaka
Ny saina sy eritreriny tsy mba misavoritaka
Matanjaka finoana
Tsy mba mangitakitaka.

Ny Tompo mihitsy aza
Fony teto an-tany, dia Izy no nilaza
Fa ny Fanjakany
Dia an'ny toy ny zaza.


Raha toa ataonao koa
Fa ny andron'ny noely no hanaovana asa soa
Ka hisehoana ho masina
D'ianao no tena voa.

Ka sao hitonantonana
Hanaraka ny maro mba hiditra fiangonana
Nef'ireo fahotana
Tsy alàna fa takonana.

F'izao no tena marina
Isika no mpanota, ka very raha noharina
Fa teraka Jesoa
Hamonjy sy hanarina.

Tsy ianao no hoe mpizara
Fa tokony ho mpandray ilay famonjena tsara
E raiso izany anio
Mba ho tsara fiafara.

DotMG, 7 desambra 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fety - fananarana - Vavaka
5972 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143