Ali-mainty (Dox)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry,
Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry;
Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana,
Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana!

E! Ry alin'alahelo! ali-mampahoriory,
Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory,
Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany,
" Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany.

Aiza izao ankehitriny, รด ry alina somamby,
Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby?
Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony!
Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony!

Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana,
Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana,
Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa ,
Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa!

Nefa izao dia mamanala izato alina mavany ,
Erika sy patrakala no nanondraka ny tany;
Tora-kovitra indrisy!'Lay tsy zatra mba nihafy,
Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy!

Eny! Tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry,
O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry!
Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha,
Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha!

O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko,
Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko?
Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana,
Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana?

Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay,
Lamba be tsy mahafana no arakotrao anay;
Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento,
Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento.
--------
Rohy:
4044 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dox
Nampiditra : jantina
Daty : 31/01/2021 17:44
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139