Fitia saika tsy niorina (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika tsy holazaiko
Nefa mamparary ny aiko,
Fa dia tsoriko eto izao:
Ny foko babonao!

Saika tsy hoborahiko
Satria tena tsy sahiko,
Saingy izao dia holazaiko:
Ianao no tiako sy lalaiko!

Saika tsy notoriako
Hoe ianao anie ka tiako!
Angamba ho mandrakizay ny nenina
Raha toa tsy notenenina...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
41 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3205