Ny Tena Fitia (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena Fitiavana

Iny làlana iny, lalan-tsarotra mideza
Sady efa simba, ka hinoako tsy hateza
Kanefa tsy maitsy aleha sy hodiavina
Fa any no misy, 'lay ondry hotadiavina

Ny olo-tina hono, tsy mahalavi-tany
Fahendrena malagasy tena mbola mamy
Fa na aiza na aiza no misy ny tiana
Tsy maitsy aleha, tsy asiana hakiviana


Na iza anaraby, na iza hihomehy
Roso ny diako, ts hisy hahafehy
'Zay tina hono mantsy mitombo tarehy
Mety ratsy aminao, fa tena tiko be


Na petaka ny orony,
Na ngita ny volony
Na manankarena
Na tsy manank'homena
Ny ahy r'efa tiko
De tena tsy ariako
Fa ny tena fitia
Dia ho doria
Fitia tsy sangisangy
Fa fitia tena mamy
Dia ho mandrakizay
Izay 'lay voadinay

Ra-Fen's
--------
Rohy:
2813 3
Hevitra mandeha
endrika01 ( 17/04/2015 08:38)
Mampihainga inspiraka mints lay hoe fitiavana an.
endrika01 ( 17/04/2015 08:38)
Mampihainga inspiraka mints lay hoe fitiavana an.
endrika01 ( 17/04/2015 08:38)
Mampihainga inspiraka mints lay hoe fitiavana an.
hjravs ( 17/04/2015 08:38)
hoy Rossy:
Tsy ny harena be
Na bika aman-tarehy
no entina mitia,
sanatria,
Fa fo anankiroa
tsy manan-dolompo
mitambatra ho iray
Mandrakizay!... Mahafinaritra e!
andry 1000 ( 17/04/2015 08:39)
tena marina io ry namana a!! miainga zany ny sentimaka a! tohizo fa tsara e!
endrika01 ( 17/04/2015 08:39)
Mampihainga inspiraka mints lay hoe fitiavana an.
LyrainaJha ( 07/10/2016 07:58)
za petak'orona beeeee!miaiky ko A zay,met k
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 17/04/2015 06:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101