Omeo amin'ny fo (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza terena izy ndh hisaotra
Na nomenao zava tsaro bidy
Any amin'ny lavak'orony ve ianao no mikaokaotra
Nefa any amin'ny sofiny no mangidihidy

Rehefa tsy am-po izay atao;atsaharo
Fa mamoaka sary mampangaroharo
Tantely sy ronono sy lelo nafangaro
No totofanao tsiky sy angoty mifangaro

Raha hizara zava-tsoa,
Ny mety ho valiny aza takiana
Fa mbola hisy valiny avokoa
Izay atao rehetra rehefa any aoriana

Ny mitaraina noana toloranao fitafiana
Dia mihevitra ianao fa nanolotra fanampiana
Ianao olon-kendry no anarina
Rehefa manoma; ny fo mba velarina

FONGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1426 0
Hevitra mandeha
fongasy ( 06/09/2016 10:05)
0334306798
fongasy ( 07/09/2017 19:12)
0342926398
fongasy ( 10/12/2017 19:13)
0334306798
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : Fongasy
Daty : 03/09/2016 07:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017