Tenin'ny hafa (HASINIONY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia indro ianao fa sahy manitsaka ny tanikoDia vitanao hosena ny lova tena mamiko
Dia tonga andevonao ireo olomanganay
Dia efa nanadino ny maharanoray:
ny tenim-pireneko; fa tsy mba honohono
sodokan’haitraitra, manimba sy mamono
ny abidin’i Nosy, ‘zay lafatra sy tsara…
moa hoverezinao ny zon’i gasikara?
Na ianao no vavahady, ho any amin’ny fandrosoana
Tsy hilaozako ny ahiko, teny gasy tsy laroina
Ho feheziko ihany ianao, nohon’ny fanatontoloina
Saingy “andrianiko ny teniko”, mba ahafahako midola.
--------
Rohy:
Sokajy :
Teny vahiny
Mpakafy:
ZAKAIOSY
Hevitra mandeha
gasyjean
(
28/02/2013 22:01)
Ny teniko ny ahy ,tsy amidy, tsy atakalo;
Ezak'ireo razako,reharehan'ny akaniko,
Arovako mafy raha sendra fahavalo
Satria! sady tiako loatra no saro-bidy amiko.
Mahafinaritra ee! ela velona anie ny teny malagasy,aoka tena arovana fa lova tsy voavidim-bola.
Ezak'ireo razako,reharehan'ny akaniko,
Arovako mafy raha sendra fahavalo
Satria! sady tiako loatra no saro-bidy amiko.
Mahafinaritra ee! ela velona anie ny teny malagasy,aoka tena arovana fa lova tsy voavidim-bola.