Vavaka (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka

Manome voninahitra Anao ny voaharinao,
Ry Andriamanitra Avo indrindra.
Eny! Manandratra Anao ny voaharinao.
Fa lehibe sy marina indrindra.

Tsara Ianao,sady mpanao ny tsara,
Eny! Izao rehetra izao, asan'ny tananao.
Iza no tsy hatahotra manoloana Anao,
Manoloana ny seza fiandriananao.

Izahay olombelona no maniasia,
Tsy manam-pahendrena, mpanotolo-fo,
Mitsangan-ko fahahavalo, sahy tokoa,
Maditra ary koa mafy fo.

Lehibe ny fitiavanao anay,
Nidina Ianao ho fanavotana anay,
Nokapohinay Ianao nohon'ny ditranay.
Nafoinao ny Ainao ho fanavotana anay,
Menatra izahay ry Tompo tianay.

Mifona Aminao izahay, mandifotra anay ny fahotanay.
Tsy mahita handosirana izahay, ny maty no antsointsoinay.
Avelao re ny helokay e! mamindra fo, nohon'ireo ota vitanay.
Aoka ho fantatray, fa olon-kandalo izahay.

Misaotra ry Tompo tianay,
Nomenao ny Fanahinao ho anay.
Koa manolo-tena, hanjakao ny fiainanay.
Ho mpanompo mahatoky, mendrika izahay.
Mangataka Aminao, ny hiarovanao anay.
Ho mpandresy izahay, amin'ny alalan'ilay tianay.


Amena!
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
960 1
Mpakafy: havotraniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : havotraniaina
Nampiditra : havotraniaina
Daty : 09/01/2025 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011