Dia hoy aho hoe... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nolazainy anao fa izaho hono maditra,
Hitany mandehandeha etsy sy eroa,
Nolazainy anao fa be sipasipa,
Ratsy toetra sy mpandratra fo.
Dia hoy aho hoe azy ve izany...

Dia nambarany anao tsy nisy niafina,
Nisy porofo hono sy vavolombelona,
Na ny andro na ny alina dia samy nitsikafina,
Tsy faka taranaka hono raha samy olombelona
Dia hoy aho hoe maninona hono izany...

Ilay fitia hoy ianao tsy sangisangy,
Ranomasonao niraraka tamin'ny tany,
Ka nitady tratra mba hiantsampazana sy hanambitamby,
Dia lasa ianao nitady ka nahita tany,
Dia hoy aho hoe aleo ataony any...

Ny resaka nifanaovana tsy ninoanao hoe misy dikany,
Ny lasa ihany koa efa nazavaina,
Raha izay koa moa no tena fikany,
Dia tsy maninona fa azoko zakaina,
Dia hoy aho hoe mampamangy any amin'ny havanao any...
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
41 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0193