Raha mba... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba ampy fotsiny moa hoe mifankatia isika,
Tiako ianao ary tianao aho, dia izay...
Dia tsy misy koa ny andro mangatsiaka...
Fa ny hafanana homenao dia efa ampy ahy...

Raha mba ny lalana hizorana no tsy mikitoatoana,
Fa mahitsy tsy misampana hatramin'izay hofarany any...
Ka ny herin'ny fitia dia ampy hanafoana,
Hanala izay hosakana rehetra any aloha any.

Raha mba ampy moa ilay hoe ianao no anilako eo,
ianao sy ilay fitiavanao tsy misy fetra,
Manaitra indray ny foko raha mitady ho leo,
Manohana ahy amin'izay ataoko rehetra...

Raha mba ampy moa ilay hoe ny fiainantsika roa,
Ho voaraikitra anaty boky iray,
Fiainana omban'ilay Ray Tsitoha,
Fitiavana mitoetra mandrakizay.
--------
Rohy:
54 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0159