Raha te-handeha (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha te-handeha hono ianao
Mandehana tsy maninona
Dia ‘reo voady ‘zay natao
No ataovy tsinontsinona

Izy hono aleo mangina
Hanjokaiky tsy hiteny
Higoka irery ny fahoriana
Ka hanadino ‘lay reveny

Dia raha handeha hono ianao
Dia soavadia hoy izy
Fa izy hono tsy hilalao
Lay fitia sarobidy

Dia aza mandalo any intsony
Fa izay no hafany
Mandratra ‘zany fony
Lay veloma farany

Dia veloma hono ianao fa izy hisaona
Dia mandehana amin’izay
Tsy hisy intsony mandrampihaona
Fa veloma mandrakizay
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
284 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113