Soamalala (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soamalala a... Efa henika ahy izao tontolo izao...
Notentenziko avokoa ny vazatany rehetra...
Fa tsy mbola nisy mihitsy ny hoe toa anao...
Tsara bika, sy tsara fanahy ary tsara toetra...

Nifandimby teo imasoko ry ikala jejo...
Nilahatra nisesy ry ikala adala...
Nilaza fa anjarako hono ry i ikala Vero...
Fa tsy nisy nantsoiko akory hoe Soamalala...

Fa ny anilanao eo aho no tena tamana...
Ilay safidy sy lahatra ary anjara fitia...
Dia fitia miredareda maneo hafanana...
Manenika ny rà anatin'ity foko ity...

Ny nofinofinao no masaka an-tsaina...
Ny fitiavanao aoka mba ho ahy samirery...
Ny tsikitsikinao re aza zarazaraina...
Fa mahasaro-piaro ahy ianao ilay be mpijerijery...
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
48 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112