AOKA HAZAVA (IARANTSOA Mahefa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA HAZAVA tsy hoe mankahalany zava-boaforon' iretsy vahiny,
fa' ngamba ataoko fa olona adala
raha toa ka mitaty ny fako nariany.
AOKA HAZAVA tsy hoe fahantrana
raha toa ka mitia izay vitan'ny Gasy,
f'ilay toe-tsaina no mila ovana
tsy hamela ny antsika mba hangasihasy.
AOKA HAZAVA tsy hoe tsy mandroso
raha toa tsy manao ny fanao any ampita,
fa ny olo-misaina tsy hisosososo
hinana am-bolo ny zavatra hita.
Ary AOKA HAZAVA ny loza hiseho
raha toa tsy vonoina ny fositr'izao,
'lay hasin'ny Gasy hidoboka hatreo
ka asa izany raha mety aminao?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA MahefaNampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 21/07/2023 05:23