HARENA (IARANTSOA Mahefa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manafoka sy mitsara ny vavan'itsy ngetrokamahita anay madinika motrongy vao mba homana.
apangaina ho nangalatra vao misy dona-tsetroka
mba mipololotra milefa ny vovonana.
Malaky miahiahy sy mailo izay tsy izy
manaranara maso, mangarika fijery,
mandidy ny mpanampy sy manafatra ny ankizy
hanadihady tsara sao nisy zava-bery.
Tsy mampitombon-tsiraka ny harenanao ry mpanana,
voa an tendron-kazo misarika mpandalo,
mandry an-driran'antsy tsy mahita fiadanana
ny ory toa anao, ...tsy vitsy fahavalo.
Fa ny osa mandry fotsy, kanefa tadidio
fa milamin-tsaina ihany na tsy misakafo.
Ny anay itony hanina arapakay anio
dinitry ny tava novidiana lafo.
Koa aoka re a, aoka, tena atsaharo
ity enjikenji-poana 'reo sahirana mitolona,
ny fiaianana dia ady, saingy kosa aloha fantaro
fa tsy ny harena ihany no tena maha olona.
--------
Rohy:
Mpakafy:
iarantsoamahefa
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA MahefaNampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 26/07/2023 15:48