HO NOFY... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO NOFY...mba tiako hisambarana iny tokontan'iny
tiako hivalamparana ny fo sy faniriny
iriko mba ho ahy ny nofiny ho anao
rony vetson'ny fanahiny no tiako ho anatiko ao
dia tiako hisalovanana ny toerana fibodony
tiako ho somparana ny gadona firodony
iriko ho izaho no analoka ny anarany
ka ny fitia anatiny ao ho vetsoiko tsisy farany
fa tiako alaina ho samborina an-keriny tsy fantany
tiako mafy ho songonina ho fafaina ny anarany
iriko izaho no ho famafa zay napetrany am-pitia
dia hilefitra tsy satry zay faniriny anao doria
nefa...
tsapako anaty fa tsy an-tery ny fitia
ka na hiady mandra-maty tsy hahaleo ny safidy
fa zay voasoratry ny fony tsy ho azoko soratana
dia angina sy hitony, lay faniriana diso lalana
Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJYNampiditra : iavotraina
Daty : 22/03/2014 08:36