Ireto sy iretsy, isaorako anao (Ikalamako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo ora maro nampindraminao, rehefa izarako ny tsiky sy ny hehiko,
Ny tsororo-dranomaso fanankiko aminao, ilay izaho mitanondriky ny fahareseko,
Ny fiantsorohanao ny lanja sendra mihoatra, tsy zakan'ny lamosiko nananika havoana,
Ireo bozaka natafonao ilay tao-trano keliko, tsy efan'ilay tànako efa niempaky ny taona,
Ny vary an-tsotronao nafahanao ny vavako sendra ngindingindy tsy nahatelin-kanina,
Ny anjara ranonao nifanasahantsika, raha foana teo ny zingako tan-tany karankaina,
Ilay sandrin-tànanao natolotrao ho tehina, raha kolepaka ny tongotro hiampita ny tetezana,
Ilay ahibanonao nasatrokao ny lohako dotran'ny hain’andro fa lavitra fialofana,
Ianao nikaoka loha, nitady toro-hevitra nasetrinao ny olana tsy nahitako tory,
Taminao koa ny teny nampilamina ahy niakatra tambavy sy nisafotofoto,
Ny ripadripak'hehy nampisary zaza tamin'ny tsikombakomba nanavotr'hadalana,
Ireto sy iretsy, isaorako anao, tsy nanisy kajy fa nanaiky ho namana.


(28 desambra 2015)
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fiaraha-monina
434 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101