Raha ho avy izay (Ikalamako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taona moa ity mandroso
Ny hery koa toa zary mihena
Ny foko sanatria hamotsotra
Noho ny sedra sesehena.

Fa raha tampoka ny diako
Ny aina hoe tsy mifametra
D’efa isaorako ry tiako
Ny fitiavanao rehetra.

Ka amin’ny làlana hombako
Mandra-pahatongako Any
Ny feonao no ho reko hanako,
Ny endrikao no hamefy izany

Ny mozikanao sy ny hirantsika
Handravaka ny ora farany
Ireo tsiambaratelo mamintsika
No ho vatsiko eny am-pandehanana.

Ireo teny maminao rehetra
Ho solon-tànanao fihiniko
Fa nivoadiana tsy hanam-petra
Ilay fitia ka tsy ho hadinoko.

Ary ao anaty fahanginana
Mety ho tsapanao, lalaina
Ny fara-oroka sy fihina
Ho anao, am-parafofon’aina.


(23 nov. 2013)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
663 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153