IANAO SY NY TOMANY (Lalypiso)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Zaho tsy mety fay…Nefa saringodringom-piainana ny miaraka aminao
Jalijalintsaina toa miolikolidresaka tsy fantatra avy hatrany
Dia midika teny iray….
…IANAO
sy ny…TOMANY
tena mahamay…
fa toa afo mijoalajoala, tsy voatondrak’alahelo ny fitiavako anao
mbola tsofitsofinao, kopakopahanao an-daingalainga sesilany
fa ankiniko amin’ny Ray…..
fa tsy sarintsarimpanafahana fa tena efa hevitra tapahana ny fialako aminao
fa tsy ho very maina akory ny kotsakotsan-dranomasoko mipatraka amin’ny tany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana