ATAOVY IZAY MAHAMENDRIKA (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOVY IZAY MAHAMENDRIKAHoy ny baiboly hoe...
Ny finoan'ny maro an'isa rehefa any aoriana any
dia sady tsy mafana nefa koa tsy mangatsiaka
Ho maro ny hihemotra amin'izany andro izany...
fa manahoana kosa ny ara-panahintsika...
raha hiatrika ny farany ?
Ho maro fahavalo ianao...izay atao an-tsaina
ka be ireo mpandrafy sy ny olona tsy tia ,
Ary mora ny miteny hoe "na hanaraka aza ny aina...
tsy hivadi-panekena izaho mandrakizay doria!" fa... mafy tanterahana... !
Raha tena hoe arahina...mitombo ny haratsiana sy...
ny fahalotoan'ny olona na toetra na fiteny !
dia izay ilay aizim-pito fa..ny tiako anontaniana hoe...
moa ianao mba mendrika eo imason'izy ireny ?
Amin'ny fanjakan'ny tany mantsy ianao io no modely
Ny toetranao ivelany , ireny no fantariny
ka raha sanatria hoe diso na manao tsy mety kely dia...iny ny an'izao tontolo no mba tsikariny...
fa tsy ny hatsaranao..!
Ka ilaina ianao tsy miova n'iza n'iza mety hanenjika
Tsy mivadi-panekena fa ny lanitra no fetra ?
Miomana hatrany hatrany koa hanao izay mahamendrika...
tsy amintsika ihany fa amin'ny olona rehetra...
raha tianao ny hovonjena !
Lavenona
17/05/25
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
