REHEFA MIALA NY AIKO (LAVENONA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MIALA NY AIKOAny ialahy ry zanako...!
Amin'ny fotoana...hamakian'ialahy ity dia...
izao no tadidio hoe...efa niala izay ny aiko !
Hamonjy fitsaharana ny nofoko malia ka...
izao sy izao ry zanako no hafatra lazaiko...
Mifona letsy i Dada raha toa nitsoaka adidy a!
Tinaitran-drendrarendra ka niala anaty ady
Nampitondra zioga tena mafy sy mangidy...
ka namela anao irery vao nianatra nandady !
Fa nanenjika ahy sahady...ny sazin'Andriamanitra !
Tsy misy mahalala moa ny ora sy ny daty fa...
nanindrona ny foko toy ny lefona maranitra
ny tenin'ny mpitsabo hoe tsy ho ela aho dia ho faty
satria tratran'ny homamiadana !
Notsakoiko aloha ny nenina ! Nobabeko koa ny tody !
Nateliko ny vahona , namboariko ny saiko fa...
nikiky ilay aretina tsy sitram-panafody...
ka nihena isan'andro ny refim-pofonaiko !
Ny reninao nandrara sy nanakana ombieny
ny tsy hahalalanao ahy sy izay mety hoe fisiako !
Na izany aza hifaliako rehefa mba nekeny hoe...
omeny anao manokana ito taratasiko ito
rehefa miala ny aiko !
Lavenona
12/07/2024
--------
Rohy:
Mpakafy:
rina15
