TEFIM-PITIAVANA (LAVENONA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEFIM-PITIAVANAMaso nifanopy sy nanganohano sisa...
no solon-kopatanana nanaovanay veloma !
Sentom-po maratra no mba nenti-nitanisa...
ilay fitiavana niarahana tsy vatra novonoina...
sy niredareda loatra !
Saingy tsy afaka aho nanoatra, tsy afaka nitana
mba niezaka nitroatra ihany sady nanontany...
nefa tsy nahazo valiny na koa fanazavana...
fa tonga dia voarara tsy hiaraka avy hatrany...
na dia hoe samy tia !
Dia niezaka aho nangina fa...izay no fanafody !
Tsy nisoka-bava na dia teny kely monja fa...
ilay laka-niampitana ity indrisy fa tsy tody
satria rendrika sy fefika ary koa natelin'onja...!
Dia...nitsiry tao an-doha aloha ny hoe hamono tena
Ny hevitro faharoa dia ny ho poeta tokan-tena
Nahita fanafody izaho dia ny hoe hanolotena
hibebaka sy hivavaka ary handray ny famonjena...
ary hanompo an'Andriamanitra !
Hay ity fitiavana nandratra ny aty foko
no zary tsoran-kazo izay nanefy fisainako
sedra mahamay fa nanamafy ny finoako
Ekena hoe naharary fa nanova ny fiainako
ho amin'ny lala-marina
Lavenona
04/09/2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
