NOELY MAMIKO (Mbola tsy fantatra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy ny noely tena tiako sy tsaroako ho tena mamy,d' ilay isika nilalao ny tantaran' i Jesoa ...
Ianao Maria, izaho Josefa
ka nataoko tamin' ny fo ny teny rehetra izay niantefa
sy nisafoiko kibo anao tao anaty tranon' omby
Ka nony terak' i Mpamonjy,
na ny magy izay namangy na ireo mpiandry ondry
tsy nosainiko aloha fa tsikinao no tao an-doha
Ny fitopam-bolonao sy ny fihetsi-tananao
no nandrevo saina ahy;
Tsy nahatsiarovako intsony izay tokony ambara
amin' ny maha-Josefa ahy
... ka nahasimba ilay tantara!
'Zay tsy anenenana satria
nampivoatra ihany kosa
ilay fitiavana niavosa
tao am-pontsika roa ...
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
endrika01
Hevitra mandeha
zoukimi
(
09/09/2008 19:39)
http://manafo-safo.over-blog.com/