FITIA DISO FIANTEFA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anatin'ny alina mangina
No nanembonako anao ry tiana
Ianao ilay andry nanankinako ny foko
Tiako ianao ,tena tiako sady tsy foiko

Faniriako ianao mba ho ahy irery
Ho ahy ka tsy hitambarako amin'ny hafa
Izaho anefa tsy nasinao jery
Hay ny toerako efa lasan'olon-kafa

Ny saiko toa tsy mety mino
Fa hoe tsy ho ahy irery ianao
Sarotra amiko ny hanadino
Ilay fitiavana natolotrao

Satriko ny ho tiavinao sy fihininao hatrany
Saingy indrisy mantsy fa toa nofinofy ihany
Angamba ny ahy fitia diso fiantefa
Tsy naharitra ela fa vetivety dia nilefa

Ry fitiavako mahantra , fa dia nahona loatra re
No manantena zavatra tsy hisy nefa zava-dehibe
MionĂ²na ry foko fa izao angamba ilay anjara
Ka aleo hivalona any , hipetraka ho tantara

Hajanirina Mahavaly (19/05/2021)
--------
Rohy:
1288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 19/05/2021 10:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156