MIVERENA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miverena ianao ry zanaka nania
Ny feon'ny Tompo no miantso hoe avia
Hialao ireo fahotana sy hadisoana marobe
Fa nalatsany ho anao ny rany tao Getsemane

Miverena ianao ry ilay be siasia
Manatsotra tànana aminao Jesoa tia
Aza be fangatak'andro amin'izao fiainana izao
Anio mibebaha, aoka izay ny ditranao

Miverena ianao f'aza makatsy sy aroa
Toa mandany andro mikaro-java-tsoa
Ireo rehetra ireo ange ka zava-poana ihany
Fa ao amin'ny Jesoa no misy Fiadanana tsy Lany

Raha miverena amin'ny Tompo ianao anio
Dia izao no tsarovy sy tadidio
Ho voavela ny helokao , ho azonao ny famonjena
Torio ny Filazantsara andrakotra ny firenena

Fitiavana mandrakizay no nitiavany anao
Ny fahasoavany no Naha toy izao anao
Sarobidy eo imasony ianao sady tiany
Mpanompo efa nofidiny ka tsy mba ariany

Hajanirina Mahavaly (08/03/2020 à 22h30mn)
--------
Rohy:
844 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 09/03/2020 05:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135