Na mandalo sedra mafy aza (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mandalo sedra mafy aza aho
Tompo ô! tsy hivadika aminao
Na maro aza ireo fitsapana mamay
Nataonao ireny hahasoa anay

Fahoriana,fijaliana maro nifanesy
Nandreraka ny fo ka efa mila ho resy
Soa fa teo Ianao Jesoa nampahery
Nampitraka sy nanakatona ny fery

Ny famindram-po sy ny fahasoavanao
Matoa aho mbola miaina toy izao
Ny fitantananao mendrika ho deraina
Na hariva , na atoandro, na maraina

Misaotra Tompo amin'ny zavatra rehetra
Ny fitiavana natolotrao, fitia tsy manam-petra
Asandratro Avo ny anarana sy voninahitrao
Ho fiderako Anao ho ren'izao tontolo izao

Hajanirina Mahavaly (27/11/2020 à 10:00)
--------
Rohy:
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 27/11/2020 07:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142