HAMBO-POKO (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMBO-POKO

Noho ny hambo-poko
Tsy vitako resena
Manidy izany foko
Ny saiko tsy hivena
Ka hahatsiaro anao
Hanembona fitia
Ka lasa toa fanao
Mandeha manary dia
Mba hamenoana banga
Mitady fifaliana
Sy lanitra mba manga
Tsy hisy fahoriana
Sy ngidim-pitiavana
Tontolo maintso mavana
Tsy hisy hirifiry
Na ranomaso latsaka
Na dia mankadiry
Ny alahelo tsy afaka

Noho ny hambo-poko
Leferiko ny ratra
Manangona toloko
Mibosesika ao an-tratra
Fa avelao aho harary
Noho ny sitra-poko ihany
Ka na tsy mahatelim-bary
Dia tsy fahoriana izany
Tsy mafy noho ny misy maty
Izay veloma tsy hihaona
Ka ho fohanako ao anaty
Heveriko ho afa-tsaona
Mankahery izany saiko
Na dia mbola tia ry aiko
Hanangonako ny heriko
Fahatsiarovana toheriko
Noho ny hambo-poko ihany
Izany rehetra rehetra izany


FANJA ( 16 juil. 07 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
1292 1
Hevitra mandeha
sejianis ( 08/08/2007 12:14)
merci
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 18/07/2007 11:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097