Misy farany (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FARANY

Ray o,
Ampio aho hanadino
Ka hanaiky sy Hino
Fa ny zavatra rehetra
Dia voafetra
N`inona n`inona kinasa
Sy mba natao lahasa
Dia hisy farany avokoa
Ka hisy iray tsy hankato
Ny teny rehatra nifanomezana
Ka naharava ity fehezana
Mba handeha sy hifindra
Lalan-kafa no arindra
Na dia tsy hitako akory
Izay nahadiso ahy tamin`ireny
Fa ianao no te hirenireny

Dia hirariko mba haharitra
Fa tsy toy ny antsika
Vetivety dia nipika
Tapa-kazo nentin-driaka
Tsisy fefy mba nanakana
Fa nisosa toy ny lakana
Ray o,
Mino aho fa any ho any
Dia misy olona tomany
Miandry ny fitiavako izy
Ka aoka re ianao ry Ray
Mba hampitony azy zay

Njafah
--------
Rohy:
1191 0
Hevitra mandeha
visiteur ( 12/03/2007 12:22)
aza kivy e, ho avy ny anjaranao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 22/02/2007 14:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142