TSISY NENINA (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho neniko akory izay fotoana lany izay
Niandrasako anao tanaty hery mahamay
Tsy noterena fa fitiavana, eny tena tia tokoa
Niaritra fakam-panahy tsy nitondra voka-tsoa

Tsy ho neniko akory ilay fitiavana nomena
Faly aho satria nahatàna fanekena
Fa ianao izay nandao tsy ho azoko terena
Ka hitalahoko hatrany hoe mba miverena

Tsy ho neniko akory ireo fijaliana nozakaiko
Ranomaso fihafiana noho ianao izay lalaiko
Eny! tsy ho neniko akory fa hipetraka ho tantara
Ka ny fiainako aoriana no tefeko mba ho tsara

Enga kosa anie ianao mba hiova saina, fo
Tsy handratra toy ny ahy ilay fitiavana nifoha
Satria marary sy mafaitra ny voafitaka toy izany
Nefa tsy ho neniko akory fa toa zakako ihany !

NJAF NOV 06
--------
Rohy:
1625 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 17/03/2007 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142