Ampidiro aloha ny tenimiafina
EMBONA (Noëlson L. ANDRIANIAINA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny andro tontolokoToa nijaly ny foko
Any aminao foana ny saiko
Ianao no fanafody ny aiko
.
Embona foana hatrany
No iainako isan'andro
Toa mahatsiaro anao any
Mandritra ny tontolo andro
.
Ny amin'ny alina indray
Tsy nahita tory
Te hanantona hifandray
Izay mahatsiaro ory
.
Ny feo mangina amin'ny alina
No nampisento ahy tany
Amin'ny andro mamanalina
No manembona anao hatrany
--------
Rohy:
Mpakafy:
ramanantsoafanhaja
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINANampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 08/06/2016 18:59
