Ampidiro aloha ny tenimiafina
TENA MALAGASY (Noëlson L. ANDRIANIAINA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany no tena malagasyTsy mba olona mangasihasy
Fa tena tia ny tanindrazana
No mbola mahay ny fomban_drazana
.
Tsy menatra ny ananany
Fa mijoro amin'ny fahatsarany
Manaja ny fitsipika malagasy
Izay natao an_tsoratra taratasy
.
Izany no tena malagasy
Tsy mba misy loto na feno tasy
Ny fisainana sy ny fiteny
Malagasy ray sy malagasy reny
.
Malagasy,tena malagasy daholo
Ny momba azy manontolo
Izay tena miaro an'i Madagasikara
Fa nosy mamy sy tena tsara
--------
Rohy:
Sokajy :
fitiavan_tanindrazana - Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINANampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 14/06/2016 16:13
