ANKAMATATRA NO ATAO (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankamatatra no atao,

Ankamatatra no atao raha toa ka fantatrao,
Iza ary ireo mijoro foana tsy mandao ?
Manampy na mety na tsy mety ny atao,
Tsy mahatombona, manontany vaovao.

Ilay mahafoy zavatsoa sady tena tso-po,
Lavitra ny rendrarendra, miaritra ny mafy koa,
Tsy misalasala miteny raha misy mahasoa,
Mitsangana hatrany na dia hoe marary loha.

Manome ny anjarany izy raha mahita anao noana,
Miasa, miantsena, mahandro, mampirina foana,
Lavitry fialantsasatra noho ny adidy manoloana,
Tsy lany andro mihitsy amin'ny hoe... zavapoana !

Raha ny kalitaony, tsy ho voatanisa eto izany,
Raha afapo ianareo dia ao ambara avy hatrany,
Tsy iza akory ilay vehivavy fa ny Reniko ihany.
Tia loatra, reny tokana tsy atakalo eto antany !

Mankasitra ny vitan’ny Reny rehetra,
Nefa ianareo dia tsy manery na manao amboletra,
valibabena amin'izy ireny, tena mendrika ilay toetra,
Ny zanaka ho sambatra, 'zay ihany no tarigetra.

Raha sendra tsy ampy mama ny ao anaty vilany,
Tsy terena, fa zaraiko, raha misy aho androany,
Mivavaka aho ny hanananao, fahasalamana hatrany,
Hiriaria amin' ireo zafikely izany mamanay izany !

Nosy Malala,
Mey 2021
--------
Lien:
Catégorie : Reny
874 1
Fans: TononkaloNM
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114