Dada Mankasitraka mpanampy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada mankasitraka mpanampy,

Tsy asa ratsy kay  ny manary fako,
Ilay asa vaovao, nataoko tato ho ato.
Tsaroina ireo fahiny, nataon'ny mpanampy,
Aty ny mpivady no miara miatsampy.

Rehefa avy miasa dia mitaiza zaza,
Samy  manahy lamba na efa reraka aza.
Avy eo manaramaso ny fianaran'ny ankizy,
Ny laoka koa jerena, ndrao may izato izy.

Marina fa  ny lamasinina eo ihany,
Manamaivana fanasana vilia sy vilany,
F'ilay asa ato antrano toa tsy mety vita izany,
Ary tsy hoe akory, asam-behivavy irery ihany.

Nofinofy sisa ilay fatao fahiny,
Mamaky gazety, miandry vahiny.
Fiainana ilay izy, fa tsy hoe be fika,
Ny vola no ampidirina dia samy vita.

Mankasitraka tanteraka ireo mpanampy,
Misaotra indrindra, ny Tompo anie hanampy.
Tsy mora  ny asa iantsorohanareo,
Tsy ho adino velively, misaotra ry zareo !

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143