Hifaly ho an’ny fahaleovan-tena (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifaly ho an'ny Fahaleovantena,Ao anatin'ny sarotra mila mifaly,
Mba hampiakarana ny moraly.
Atao ahoana moa ny hidongy,
Nefa izay miray hina no mahomby,
Tanjona iray ny tsimaintsy hoe tafita,
i Madagasikara izay itambarantsika.
Ho zaraiko koa ny hira faneva,
Teny malagasy, irina hateza,
Aoka arahan’asa ny antso natao,
Ny fihavanana mantsy tsy kilalao.
Fahamarinana, asa vita no hita,
Izay no lalàna raha te ho tafita.
Eny atsangako ambony ny saina,
Ho tazatazaniko isa maraina.
Ilay fotsy, mariky ny fahadiovana,
Ilay mena, Fitia tsy mety torovana,
Ary ny maitso dia fanantenana,
Zon'olombelona ho an'iray tanana.
....Rehefa maro anisa ireo
TIA TANINDRAZANA !
Nosy Malala
Jona 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hevitra mandeha
TononkaloNM
(
23/06/2026 12:16)
https://fb.watch/HWbmbhCF92/
