Ho maraina, (Nosy Malala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho maraina,

Izato havitrihanao,
Manosika varamba,
Mitsiky fa tsy mitalao.
Mamakivaky Andavamamba.

Ery, mibaby zaza koa,
Mivarotra amoron-dalana,
Voanjo amidy amin'ny madikô,
No antoka mba hihinanana.

Gony efa ho efapolo,
Taritinao ami(n'ny) sarety.
Ny hafanana toa mandoro,
F'enao mijoro tsy mba resy.

Alimbe vao tafody,
Io fa mba nilaoka atody.
Tsy ela indray dia ho ampitso,
... Mbola izy ve no diso ?

Anananao ny fikirizana,
Mitraka enao na día vizana.
Tsetratsetra sy taraina....
Oviana vao tena ho maraina....

Nosy Malala
01 aogositra 2022
--------
Rohy:
1012 2
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 10/10/2022 08:53)
Mankasitraka foana amin'ilay feo mandravaka ny tononkalo . Misaotra indrindra Ikalamako día mirary soa hatrany e.
ikalamako ( 29/10/2022 11:55)
Am-pitiavana e ! Mandrosoa hasina jiaby.
TononkaloNM ( 16/12/2023 19:26)
Lasa hira ity tononkalo ity. Ho heno miadana eny amin'ny tambazotra eny. Tsy Hay ny tsy hisaotra anareo eto amin'ny serasera tononkalo, teto izy no teraka raha izay no azo ilazana azy. Mankasitraka tompoko !
ikalamako ( 20/12/2023 21:25)
ohh mahafinaritra izany ! Hifampisaotra ve moa isika fa mahafaly kosa raha mba nahavita izay vitany ny vetso serasera. Rary soa be.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158