Ho tanora foana, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.... Ho tanora foana ,

Rehefa manodidina ny dimampolo,
Tsy mahagaga  raha fotsy ny volo.
Endrika vao, mahababo fitia,
Matotra ery, sy maha-te ho tia.

Misy ireo hafa, tsy fotsy volo akory,
Fa sola avy hatrany, mandao ny kamory.
Mendrika deraina sy fakahatahaka,
Manao vy very aina,  ho avin'ny taranaka.

Ny  hazakazaka miaraka amin'ny ankizy,
Indraindray, mampihetsika kirizy.
Dia faly ny zaza fa mandresy an'i dada,
Nefa famalifaliana, tsy ho resy lava.

Ary ny hatanorana hono nankaiza ?
Tsy mitsoaka izy ireo na mbola hitaiza.
Aleony fotsiny, miala sasatra kely,
Alohan'ny hahatongavan'ireo zafikely.

Ny asa aman'andraikitra tsy ankijanona,
Manompo firenena, mijoro ho olombanona.
Tsy lany adidy eran-tany sy eo amin'ny fianakaviana,
Miketrika foana ary maminavina...

Isaorana ny Tompo noho ny fitantanany,
Nikolokolo an'ireto hoe zanany.
Ka na dimampolo na sivy folo-taona.
Ny zavatsoa napetraka ho tanora foana.

Nosy malala
Febroary 2022
--------
Rohy:
443 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144