Ilay sivanjato very, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sivanjato ( euros) very,

Satrin’i "Dylan" hono ilay sivanjato "euro",
Nanaovana asa soa toy izay lasa "zero"
Nihevitra izy mantsy, fa tsy mba nisy,
Nihantra, nividy tapakila ho "andRalisy".

"Soa valihy" moa dia mbola nanamafy,
Ny tao antsainy hono, dia saika hanampy,
Maro loatra tampoka ireo namaly antso,
Ka lasa niterak’olana, disadisa, asoaso.

Tsy hidirina lalina f’aleo ny tribonaly,
No hitsara fa isika toa zatra mifamaly.
Naleo ilay vola hono nanaovana asa soa,
Toy izay very fotsiny, noho ny kitoatoa.

Dia lasa ny saina hoe fa maninona moa,
Faniriny izany ny hitsinjo ny hafa koa.
Miara mientana, samy miezaka kely.
Manao asa soa amin’ity andro Noely.

Efa aman’arivony ny mpanohana azy,
Ra(ha) manampy ny osa, asa firy ariary avy ?
Eran’ny Madagasikara amin’izato Noely,
Dia ho lasa avo heny, ilay sivanjato very.

Nosy Malala
Desambra 2025
--------
Rohy:
48 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 17/12/2025 09:45)
Misy afaka manaza ve ny fepetra misy raha toa ka manonona anran’olona amin’ny tononkalo azafady.
hery ( 18/12/2025 18:27)
Angamba mitovy amin'ny fepetra n'aiza n'aiza (manoratra boky, facebook sns). Izany hoe tsy miresaka zavatra privée dia tsy manao diffamation sns.
TononkaloNM ( 18/12/2025 20:43)
Misaotra indrindra, ahitsio ihany raha misy tsy mifanaraka amin’ny fenitra ilay aingam-panahy 😊
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 17/12/2025 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0159