Lafatra tsy misy kianina, (Nosy Malala)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lafatra tsy misy kianina,

Ilay tsiky kely omaly,
Indray nipika monja,
Nanafak' ilay jali
N'ny fo voafonja.

Fijery toa mandinika,
Mitaratra fanahy,
Kanefa tsy manilika,
Fa toa miantso ahy.

Ny hatsaran-tarehy,
Lafatra tsy misy kianina,
Jereo kely ange,
Anjely tena matihanina.

Izato fahavononana,
Fizarana zava-tsoa,
Lavitra fandrahonana,
Mpifankatia anankiroa.

Endrimpiaraha-monina,
Manarapenitra aok'izany...
Saingy ireto notononina,
Dokambarotra ihany...

Nosy Malala
Novambra 2022
--------
Rohy:
561 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 12/05/2023 09:42)
Misaotra betsaka an'i Hery amin'ny antsa. Tsara be,
mankasitraka foana ô.
TononkaloNM ( 12/05/2023 09:42)
Misaotra betsaka an'i Hery amin'ny antsa. Tsara be,
mankasitraka foana ô.
hery ( 17/05/2023 16:58)
Mankasitraka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105