Letchi (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Letchi aty,

Fa nahoana angaha akia,
Rehefa fotoanan’ny letchi.
Dia maina maina mazana,
No amidy avy any antànana.

  Izany ve akia dia mampikolay,
  Tongava fotsiny aty aminay.
  Aty ndry mahita tena milay,
 Tsy dia lafo loatra ny garaba iray.

Izany mihitsy no nofinofy zalahy,
Fa ny asa tsy misangy amin’ialahy.
Asa iza no azahoana tombony,
Otazana manta sa ny masaka ifotony ?

Politik’ambarotra angamba izy io.
Fiarovana tombotsoa ka tadidio.
Rehefa tsy tonga any ny letchi mamy,
Tsy olana izany fa jifanay eto ihany.

Izao aloha dia sarotra ny safidy,
Ny letchin’ny hafa tena lafo vidy.
Hifaliana foana koa izay misy eo.
Ny voany atao tandrimo, tadidinareo ?

 Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
867 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 29/07/2021 05:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126