Mirotsaka ny orana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirotsaka ny orana

Mirotsaka ny orana,
Ndeha haingana hangorona
Ireo lamba efa ho maina,
Ho lena, mitaraina.

Mirotsaka ny orana,
Madama saika torana,
Tsy Tiana ho simbaina,
Ilay volo  nalamaina.

Mirotsaka ny orana,
Miverina ny olana.
Tondraka ny rano,
Mampanganohano.

Mandihy mivazivazy,
Mifaly manalazy,
Toy ny amin'ny díavolana,
Ny ankizy fa manorana,

Mirotsaka ny orana,
Mitondra vahaolana,
Ho an'ny voly marobe,
Hiadivana amin'ny kere.

Nosy Malala
Janoary 2022
--------
Rohy:
389 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114