Ampidiro aloha ny tenimiafina
Samaritana (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Samaritana,Maromaro tato ho ato ireo samaritana,
Mandray andraikitra, miaro ny aradalàna.
Mijoro, mahasahy, mitaky ny rariny,
ampahibemaso no ampahafantariny.
Miasa avy hatrany fa tsy lava resaka,
Ny vahaolana ny azy toa mipetrapetraka,
Toy ny maherifo amin’ny horonan-tsary,
Vonjy aina no fetra ka tsy lava tafary.
Izay fainga-piady izao no mahazo loka,
Ankasitrahan’ny maro, mahazo doka,
Raha mahita olana ianao eo antanàna,
Kingà, mba ho isan’ny Samaritana.
Ny pretra, levita, nandalo nijery fotsiny,
Nihevi-tena ambony sy sarotsarotiny,
Arivo taona aty aoriana mbola afa-baraka,
Ny Samaritana no ohatra latsaka ampàka.
Nosy Malala
Novambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Embona - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
