Tambazotra sosialy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tambazotra sosialy

Misy asa maro raha misy mitady,
Ilaina olona tena mahavita azy,
Manara maso ireo zava misy rehetra,
Dia manaparitaka izay mampitsetsetra.

Ny vaovao mahafinaritra tsy azo zaraina,
Fidiana ́reo mahababo ny fo, sy ny saina,
Azo amboarina kely, atao izay hanaitra,
Ireo mpijery, mpamaky mba ho taitaitra.

Ny asa manaraka, ilaina olona mahay vava,
Tsikera mamotika, fa tsy hoe manazava.
Toy ireo be ratrampo tsy mety sitrana ireny,
Mankahala avy hatrany raha vao miteny.

Ny karama aloha, tsy misy, fa safidy io,
Hizara zava-tsoa sa hamafy tadidio.
Raha ny mpamaky tsy manao sivana,
Dia lany mega, ny saina no vizana.

Ny voa tsara famafy dia ny fanabeazana,
Fanentanana hiady amin’ny taningazana.
Ny fanararaotana ny hafa, vao mai- mampijaly.
Raha hizara ihany, zarana 'zay mahafaly.

Fa io voalaza farany io, andraso kely aloha,
Raha hisera tambazotra, hitady tombotsoa.
Na izany aza, andeha ho alaina an-tsary,
Hoe feno voa tsara ny tambazotra sosialy.

Nosy Malala
Febroary 2026
--------
Rohy:
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 14/02/2026 10:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122