Tia Tanindrazana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia Tanindrazana,

Mbola"tia tanindrazana" ve ianareo,
Mifandrombaka, miady seza ireo,
Raha toa ka foananana ny tombotsoa,
Miara mihafy amin’ny vahoaka aloha.

Halavirina koa ilay hoe mahitahita,
Vahoaka rehetra no irina ho tafita.
Miara-mivondrona mamaha olana,
Fa tsy lany andro mifanafintohana.

Ny afafy anio, amaray vao ho jinjaina.
Ka sao lany fotoana, na sasa mitaraina.
Ndao mamadi-bainga, mizotra mahitsy,
Samy miara-mitondra ny anjarabiriky.

Vonona ve ireo tia tanindrazana,
Handray andraikitra fa tsy ho mpitazana.
Na minisitra io na koa tantsaha,
Dia iray tarigetra, miara misalaha.

Hijoro, tsy ho menatra ny haloto akanjo,
Toy ny tantsaha avy namboly voanjo.
Toy ny mpilalao, kotsan’ny tsemboka,
Fa rehefa mandresy dia mitotorebika.

Nosy Malala
Novambra 2025
--------
Rohy:
221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 08/11/2025 08:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115