Zanaka adala (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanaka adala,

Nandao fa leo ny teo antanàna,
Nangataka lova, fa tsy tamana,
Dia niriorio, nanao fiainanana,
Nigoka, niloka, niova fisainana.

Fa ny fotoana dia nandeha teny,
Ireo namana niaraka nirenireny,
Nametrapetraka, lasa nisitaka,
Ilay dina natao kay, zary fitaka.

Ny lova lany, tsy nahay nitsitsy,
Ka voatery nitady izay asa nisy,
Niandry kisoa ary no niafarana,
Ny sakafony no nifampizarana.

Tongasaina tampoka indray andro,
Nahatsiaro ny rainy manam-pahandro,
Dia nitodi-doha handeha hody,
Hifona noho ilay toetra nanody.

Kanjo vao nahita azy ity rainy,
Dia nihazakaza izay faraky ny ainy,
Namihana mafy, ity zanany adala,
Tafaverina an-trano soaman-tsara.

"Aleo aho ry dada ho isan’ny mpiasanao,
Hifonako izay rehetra tsy nety natao",
Nigogogogo, latsa-dranomaso,
Ilay Ray kosa nanoroka, sady niantso...

"Tafio nareo lamba ity zanako ity,
Hita ihany ilay zanako very tary,
Efa maty izy dia velona indray,
Ho an’i Tompo ny dera mandrakizay".

Dia nanao fanasàna, fety lehibe,
Ho an’ity zanaka adala, tsy hita ela be.
Nomena izay akanjo tsara indrindra,
Ity tapa-kevitra hanova famindra.

Rehefa nahita izany ity zokiny lahy,
Dia nalahelo mafy ny fo sy fanahy.
Izy ilay zaza hendry sy niasa mafy,
Ilay naditra indray no nahazo fitafy.

Izany no atao hoe fitiavan-dRay,
Ny zanaka rehetra, fianakaviana iray.
Samy manana anjara, hitoetra ao aminy,
Tiany hiara-paly fa samy taranany.

Haingam-panahy niainga avy amin’ny Lioka 15 : 11-32
Nosy Malala
Martsa 2026
--------
Rohy:
120 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 26/03/2026 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188