Fo nofo (Ny Ala Zohimbato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manja hoe ianao, sipa tsy azo atao n'inon'inonaNy bandy izay mba tia, ataonao tsinotsinona
Ny bikanao miteny, ny fihetsikao midola
Saingy tsy miditra aminao raha tsy bandy manambola
Bogosy hoe ialahy, mandripaka vehivavy
Izay tratran’ialahy rehetra, toa mandraiky manavy
Ireo mba misy fo, sy miezaka ny hanova
Hodian’ialahy tsy hita, sao handrodana ny rova
Fa na manja anefa ianao, na bogosy ary ialahy
Miseo ety ivelany, fa olona mahasahy
Dia tsarovy fa fo nofo, mihaina eto an-tany
Ka misy olona any, afaka ny am-pitomany
Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo
