H i t s i k y ! (Ny Ami)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitsikiko ianao fa tiko,Aho na oviana tsy hamaly,
Teo anilanao no mba niriko
Tosika no indro namparary .
Hitsikiko ianao fa nankahala,
Aho na oviana tsy hitody,
Faniriko ianao ho malala ,
Indrisy.... mandramaty ianao tsy hody.
Hitsikiko ianao fa mamiko,
Mandrakizay tsy ho fananako,
Anefa ianao ilay nindramiko
Mandramaty tsy .
Hitsikiko ianao f'efa very
Nandalo sy niserana,
Hitsikiko ianao fa tsy ahy irery
Fa any ho any ilay tena tompon-toerana!
Hitsikiko ianao hatrany hatrany!
Na dia aza napitondra ireo tomany ,
Hitsikiko ,ianao fa nanakora ,
Tamin'ny teny mafy tsy mba mora .
Hitsikiko ianao na dia aza tsy ho sakaiza
Nanava-tena ho fahavaloko,
Hitsikiko ianao hatraiza hatraiza ,
Rima anaty tononkaloko..............
Ny Ami
--------
Rohy:
Sokajy :
vazivazy - Hanina - Fahafatesana - tantara - manokana - Hambom-po - fananarana - Ady - Namana - ahy