Ny fitiavana inoako ! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavana inoako ,

fa talohanao,
sina ny fitiavako
izay olo nantenaiko
ho vahatra hampitony;
izao vao tena haiko
fa tsy nitia ahy
no tsy tiako akory

dia indro tonga ianao
tomaratra toa havana
ny lokon-danitrao
manga mavamavana.
Ny tanan 'ankavia
nanolotra fitia
ilay ankavanana
nizara fiadanana
ka indro aho safononoka
finaritra ery
fa taminao ry aiko
dia haiko
"ny fitia"

fa ao aorianao
tsy inoako ny fitiavana
tsy inoako ny ho sitrany
tsy inoako ny ho voavitrany
dia ny sampinao sisa no inoako
ny teny maminao ,
voasikotra ato am-poko
fa sitraka sy teliko
raha ilaozanao aho
ireny tsy mba veriko !

Ny Eja (aout 2004)
--------
Rohy:
2060 4
Mpakafy: nyeja - aladin - iharantsoa - lagy
Hevitra mandeha
bichette ( 01/09/2004 13:05)
hmmmmmm !!!!
yonikafopl ( 02/09/2004 15:34)
rehefa ao anatin'ny fitiavana ry nyeja dia toa tsy nisy lanjany ny taloha ary tsy hinoana hisy akosy ny any aoriana, toa ianao sy izy irery no miaina ao anatin'ny fitiavana. Mahafinaritra ahy ny tononkalonao, mamelombelona fanahy.
nyeja ( 02/09/2004 17:12)
misaotra nanome hevitra ary mankahery ahy hatrany ny hevitra avy aminareo ry bichette sy yonikofopl a
ny eja
bichette ( 03/09/2004 07:14)
mahafinaritra foana ny tononkalon'i nyeja anie e ! hi hi hi
nyeja ( 04/09/2004 05:26)
misaotra ry bichette a faly be mihitsy aho! .
Malalason ( 16/09/2004 08:44)
amiko manokana ny fitiavana ry zareo dia fanomezana avy @ Atra ka na ahoana fomba fisehony dia zary hafaliana ho ahy foana na dia misy aza ny fahoriana aterany dia lasa zezika mampandrobona ny kolokolom-pitia.
RJO
Fitiavana?
tsy azon'iza ho terena!
fitiavana?
famboraka sy fanfantena!
Fitiavana?
lova ary koa harena!
RJO 2003
aladin ( 24/09/2004 20:31)
Mankafy e!!!
...am-pitiavana be!
watsa ( 05/10/2004 22:10)
merci aladin! misaotra e!!!!
toetra ( 20/10/2004 22:37)
Sitrako sy teliko ry ny eja.
nyeja ( 24/10/2004 06:12)
dia misaotra malalason, aladin,watsa, ary i toetra aho fa tena namako ianareo satria nanome hevitra ity sanganasako ity, mankasitraka ary mirary soa anareo e
NY Eja
crrlanto ( 08/11/2004 20:25)
Ny fitiavana hono manko,maha ditsoka ny fo,
tsy ahitana ny fambara,na efa lasa na ao aloha
Ilay rediredin,olo tiana no hany re ao anaty
ilay tigetra anananao,zary levona ao anaty
ilay safosafon,olo tiana ...izay nampipararetra
no nanjary lasa aina,aina izay mitoetra
tsy azon,iza ho fafana

tide ( 11/11/2004 23:00)
Amiko manokana dia mahafinaritra ny tonokalonao sy ny fomba fahaizanao mampita izany eo amin'ny tontolon'ny fiainana,satria raha @ ankapobeny dia toa lasa ataon'ny tanora kilalao izy iokanefa raha dinihina dia toy ny "Aloka an-drefana ",izany hoe:misy ny an-tenaina misy ny mandalo,ka ny masoandro hono rehe tonga any andrefana ka handeha hilentika dia tsy an-tenaina ka lasa hasard izany amiko,ka izay no azoko ambara aminao ry sakaiza namana,fa toizo izany mba ho tonga saina ireo tnora namantsika izay variana milalao ny fitiavana fa afo mandoro ny fitiavana ka tandremo sao manao tsambikina mikipy izany! tide
cooper ( 14/10/2007 20:41)
Ny fitiavana ?
Tongatonga fotsiny eny,
Ny fitiavana ?
Rediredin'ireo hoe tia

Fa ny tena fitiavana ?
Tsy hay lazaina hoe ahoana
Ny mahay miteny aza zary lasa moana.
Tsy ny vava mantsy no miteny
Fa ny fo ao anaty toa re fa mitem-po...


R.h.f


Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124