Raha mety ianao anio! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mety ianao anio! *



Raha mety ianao anio ,
Hisokatra ny lanitra !
Izay rivotra tadio
miserana manakona
ilay masoandronao ,
Ho divy tsy ho tazana.
Fa ilay tontolonao
Feno hasambarana.

Raha mety ianao anio
Ho kanto ho re foana
Tsy hisy fahataperany,
fa mandava taona
ny hiran’ireo vorona
Sendra manamorona
Irony làlanao …

Raha mety ianao anio
Ireo mpandrava laka,
Manejika ivoho
Ireo mpifosafosa
Ireo ratsy loha
Ho lavitra tsy ho hita
Tsy hahatratra anao .

Ianao mitafy, ilay fahatoniana lalina.
Ianao miventy, ny antsan’ny tafarina.
Finaritra sy miran’ny fifaliana vao,
ireo no antenaiko, ho soritr’endrikao !.

Raha mety ianao anio !


Ny Eja 2006

“Anio 01/01/2006”
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
3292 1
Mpakafy: nikopol
Hevitra mandeha
nikopol ( 04/01/2006 12:08)
za efa 04/01/ vao tonga dia ahoana nyeja?
lol
Misaotra nyeja
nyeja ( 06/01/2006 05:05)
raha mety ianao anio , na dia efa 31 decembre aza vao mahita azy hihihih! dia anio foana ange ry nikopol e !!misaotra nanome hevitra e
ny eja
andriary ( 21/01/2006 09:01)
any mety aho anio
ho eo anilanao!
dia ho satriko hankafy
reto tonokalonao!

dia mety aho anio!
mba ho eo anilanao!
mba handre rotsirotsin'
ny asa soratrao
nyeja ( 02/01/2007 09:38)
misaotra ry Andriary a dia efa hitako fa efa mahafolaka tononkalo tsara ianao a .
rhina ( 12/09/2009 14:52)
iriko dia iriko ny ho eo anilanao
fa angamba ny elanelana no manalavitra ahy sy ianao
saingy mino aho, fa ho avy ilay fotoana
ho eo anilanao, ho eo mandava-taona

-------

d mbola maneo ny fankasitrahana an'i Ny eja hatrany tena kanto!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161