Ry sakaiza tsara (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry sakaiza tsara,
etsy ianao ambarako
fahendrena soa
ry sakaiza tsara,
avia hotantanako
izato tananao
dia henoy aho:
aza dia arahana ozona avokoa
izay manaratsy anao
andraso ny ao ambony
dia miezaha ho tony.

ry sakaiza tsara,
mahaiza aloha mangina
raha sendra mpahay vava
mandrangitra hakiviana
sy fanalam-baraka
ry sakaiza tsara
toneo izany fo
mahaiza koa mitraka.
dia aleo ny ao ambony
hanome izay saziny.

ry sakaiza tsara
fadio ny rehareha
fadio ny sehoseho
fadio ny mihomehy
miantsy manakora
na olon-dehibe
na kely na tanora
fa manana ny hasiny ny tsirairay
irony alahelony
mavesatra mahamay
miangavy aho ialao
raha azonao atao.

ry sakaiza tsara
fadio ny ompa ratsy
fadio ny lolom-po
fadio ny valifaty
fa mbola olombelona
nofo isika izao
tsy misy mahazaka
na dia iray venty
rehefa injay
matory fehizay.
ry sakaiza tsara
etsy ange ianao
saotra , tso drano,
firariantsoa
no hovolaninao
fa ireny tsy mahavery,
fa hisy valisoa
sy fitahiana ombieny.
Mety tsy anio 'lay tambiny raketiny
fa "fifaliana anaty"
ho anao ny setriny.

ry sakaiza tsara
izao hafatro izao
tano fa ho anao
:NY Eja 05/2005
--------
Rohy:
1880 3
Mpakafy: nyeja - totty - rapisoukely
Hevitra mandeha
Malalason ( 24/05/2005 12:11)
Ry sakaiza Tsara
Malalason Akamanao
Dia manaiky hatramin'izao
Ny tolok'hevitrao

Ha! ha!ha saika nahay aho รด!
mahafinaritra e! dia mamoaha indray Boky faharoa fa efa sasamiandry izahay Mpaka fy! sa tsy izany ry sakaiza tsara isany?
totty ( 17/06/2005 19:53)
marina tokoa ny voalazan'iMlalason etsyambony mamoaha boky indray hividiananay mpakafy e,ianao aloha dia tena manana talenta mahafinaritra be e!
nyeja ( 18/06/2005 07:05)
misaotra an'i totty sy malalason aho dia sitraka enti metory e ka hovaliana raha mahatsiahy an
tsy ho ela ny boky fa "ilay fitia " aloha ankafizo e " .
rapisoukely ( 11/07/2005 14:22)
Somary bebe fo izay ny tenananay ka mahatsiaro tonga saina mihitsy amin'ny fahendrena hananao ry Ny Eja.
Ie, marina ny an'i Malalason fa mba ataovy tonga aty aminay koa ilay boky vaovao, hankamamianay ny asa soratrao bebe kokoa.
Rapisoukely namanao
hasiniony ( 15/07/2005 14:36)
Ry sakaiza tsara, anio ny soratrao

Hataoko tonom-bavaka
Hireharehako ho apinga

Rehefa izaho solafaka, manao ny tsy fanao
nyeja ( 04/08/2005 08:10)
misaotra e raha voarainao ilay hafatra ry hasiniony a
mankasitraka anao ny eja namanao
andrysecabi ( 12/11/2005 15:02)
Meja aok\'izany tokoa ny \"Sorakodianao\" ry Eja
Meva torak\'izany koa angamba ny endrikao ry Eja taranak\'i Eva
\"Namako tora-droa\" indriako ry mpanafosafo ny fo
Mpanamaotina \"Tafiotram-pofon\'aina\"
Mpanasolanga ireo miady ny zatra \"Seka maina\"
nyeja ( 08/12/2005 05:49)
ndry misaotra andrisecabi a fiteny hafakely no ampiasainao nefa dia tena mambabo fo tokoa
nyeja ( 08/12/2005 05:55)
misaotra rapisoukely a
ny eja namanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193