Tsara loatra ianao ! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tena tsara loatra ianao
Dia toa tsy sahiko jerena
anefa anie ity masonao
mandinika ahy tsy hay fefena !

eny tsara ho aho ianao
ka tamin\'izay tsy mba ninoako
izaho izay tsotra kely itony
mety hambabo koa ny fony ?

dia natopinao indray
handinika ahy ilay fijery
izaho niafy ny nanahy
menamenatra irery!

ary niarahaba ahy ianao
feno fanajana fatratra
izaho nandray ny tananao
vahobahotra sy niambatra !.

Ka narahinao tsiky
eny kanto tsara loko
raha mba henonao iky
ny fidobodobok\'ity foko ?

dia toy izay ilay fihaonantsika
tany etazonia tany ...
ankehitriny ianao tsy hita
any an-tany lavitra any .

ireo taratasy niampita
nifanoratantsika roa
no hany sisa nanambara
fa nahafinaritra sy tsara
tiana hitohy ilay fiarahana.
nefa atao ahoana moa ?
semban\'ilay fisarahana !.

Ny Eja .2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - manokana - ahy
3612 3
Hevitra mandeha
totty ( 21/06/2005 12:11)
Manao ahoana Ny Eja
mababo fo tokoa izany namana tsra izany,indrindra rehefaizy izay no tsotra fihaingo an! tahaka ilay mpanoratra ny tononkalo ihany,tsotra be sady tsy mba miavona,mahereza hatraminy farany e.
rapisoukely ( 22/06/2005 18:48)
Tsy maintsy mbola hiahona ihany indray andro any na lavitra aza ny elanelan-tany. Mahereza.
pissoa ( 23/06/2005 10:22)
tena tsara ilay tononkalo, tsotra nefa tsara e!
nyeja ( 23/06/2005 10:39)
misaotra betsaka an'i totty, rapisoukely, ary pissoa, bizz mamy be ho anareo e!
tia2005 ( 04/08/2005 14:20)
ndriii! mampalahelo ilay niafarany fa mbola mitohy any aoriana ê! tsara ilay izy ka!
shate ( 10/09/2005 09:39)
Isaky ny mamaky ny tononkalonao za de otran'ny miaina mihitsy ny zavatra voalazano, tsapako fa tena mahay manoratra be ianao
nyeja ( 11/01/2008 03:13)
misaotra anao ry tia2005 sy shate ny Ny Eja
Imbolatiana ( 04/07/2014 10:39)
Izaho koa dia isan'ny mpankafy ny asa soratrao, tohizo foana dia hitohy hatrany anie ny famoronanao hampiroborobo ny tononkalo malagasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099